Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kakabe Djino : feno ny fandaharam-potoana 2018

Kakabe Djino  : feno  ny fandaharam-potoana 2018

Mpanakanto mivohy ny hira mafana na ny tropikaly. I Tognizara Gergino, fantatra amin’ny anarana maha mpanakanto Kakabe Djino. Toerana sy hetsika kolontsaina maro no efa nahitana azy. Hitohy izany…

Amin’ity taona 2018 ity, efa feno tanteraka ny fandaharam-potoan’i Kakabe Djino. Hitety ny faritra Diana sy Sava ary ho any Toamasina ity mpanakanto ity. Ankoatra izay, hamoaka ny « album » faharoa mitondra ny lohateny « Mirentogno aoé » izay ahitana hira 11 ihany koa. Fantatra fa ny vahoaka any ambanivohitra no tena mahafantatra sy mankafy an’i Kakabe Djino sy ny sanganasany. Faniriany ny hampahafantatra ny salegy gouma sy ny salegy aoé eto an-dRenivohitra.

Marihina fa efa nandray anjara tamina « festival » sy hetsika kolontsaina maro toy ny « Donia », « Sorogno », « Lampogno », « Samy Jao », sns, izy. Ho an’ny seho tany ivelany indray, ny taona 2016, nitety an’i Frantsa sy niatrika ny taom-baovao 2017 tany an-toerana. Nampifaly ireo teratany malagasy tany Mayotte indray ny taom-baovao 2018.

Fantatra fa ny fiangaliana ny salegy gouma (gouma, vakodrazan’ny foko sakalava tapany avaratry ny Nosy) no tena nampalaza an’i Kakabe Djino. Taty aoriana, nafangarony amin’ny salegy aoé (aoé, karazana dihy niforona tao Andoharanon’Ambanja) izany.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.