Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

HJRA : handidy katarakta ireo Sinoa

HJRA  : handidy katarakta ireo Sinoa

Efa nanomboka ny 16 mey teo isa-maraina ny fitiliana katarakta sy fanomezana fanazavana manokana mikasika ny fandidiana katarakta hataon’ny dokotera sinoa etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha.

Hatao manomboka ny 31 mey hatramin’ny 10 jona izao kosa ny fandidiana ho an’ireo vita fitiliana ka voamarina fa misy katarakta.

Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny vaomiera nasionaly misahana ny fahasalaman’ny Repoblika entim-bahoakan’i Sina izao hetsika ara-pahasalamana fandidiana katarakta izao.

Hisy andiana dokotera sinoa  ho tonga hanao izany fandidiana izany ary ho maimaimpoana ny fanatanterahana izany etsy amin’ny HJRA.

Efa manana traikefa amin’ny fandidiana ny dokotera sinoa. Arifomba ny fitaovana ampiasaina ary efa betsaka ireo tonga nanao fitiliana.

Betsaka ny Malagasy tratran’ity areti-maso katarakta ity indrindra rehefa miha-mahazo taona. Efa betsaka ihany koa anefa ireo nodidina ka niverina nahita tsara indray taty aoriana.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.