Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hanao “sit in” tsy hiala eo amin’ny HCC ny depiote

Hanao “sit in” tsy hiala eo amin’ny HCC ny depiote

Hanao hetsika tsy an-kiato eny amin’ny HCC Ambohidahy  ary  tsy hiala  eo ny depiote ho an’ny fanovana,  mandra-pivalin’ny fitakiana ny  hialan’ny  filoham-pirenena, araka ny lahateny  teny an-toerana, omaly. “Miandry eto sy hanao “sit in” isika. Tsy miala  eo raha tsy mamoaka didy ny HCC ary tokony hifanaraka amin’ny hetahetam-bahoaka izany. Aza terena handeha any amin’ny lalana ivelan’ny lalàmpanorenana  izahay sy ny  vahoaka.  Jereo ny hetahatem-bahoaka sy ny lalàna. Mampahery  sy  hanolo-tsaina anareo  izahay hamoaka didy miandany amin’ny  vahoaka”, hoy izy ireo. Notsiahivin’izy ireo  fa efa nandresy indroa  izao  ny depiote. Anisan’izany ny navoakan’ny filankevi-panjakana,  omaly manoloana ilay fanapahana noraisin’ny governemanta nandrara ny hetsika  sy  famoriam-bahoaka  any amin’ny  fandrarana. Naaton’n y filankevi-panjakana izany.
Etsy andaniny,  nokianin’ireto depiote ireto ny hetsika sy ny famoriam-bahoaka  ataon’ny  HVM  sy ny fitondrana eny Antsonjombe, ny faran’ny herinandro izao. “Mbola endrika kolikoly  ampahibemaso koa  izany”, hoy  izy ireo.

Araka  izany,  hitohy anio manoloana ny HCC Ambohidahy ny  hetsika  amin’ny alalan’ny “sit in”.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.