Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fikaroham-bahaolana : hanapan-kevitra momba ny krizy politika ny eveka

Fikaroham-bahaolana  : hanapan-kevitra momba ny krizy politika ny eveka

 Efa fanao  isan-taona, saingy  hiavaka ny amin’ity indray mandeha ity.  Hisokatra anio, amin’ny alalan’ny S orona masina etsy Antanimena ny fivorian’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem). Anisan’ny hanotrona  izany sy hiaraka hivory amin’izy ireo ny eveka avy aty Afrika  sy  ny avy  any Alemaina.  Raha tsy misy ny fiovana, anisan’ny hodinihina amin’izao fivoriana izao  ny fiainana anatin’ny fiangonana, indrindra izao nahazoantsika ny kardinaly Tsarahazana Desiré izao.  Mety horesahina koa ny hahatongavan’ny papa François eto amintsika amin’ny  taona  ho  avy.
Na izany aza anefa, efa fanaon’ny eveka isaky  ny mivory, ny volana mey sy ny aogositra ny   hafatra momba ny fiainam-pirenena sy ny politika.

Tsy mankasitraka ny herisetra famonoana olona.. . 

Tsy azo ihodivirana ny krizy politika amin’izao  fotoana izao ka mety hanehoan’izy  ireo ny  heviny sy ny vahaolana. Anisan’ny fanambarana  farany nataon’izy ireo ny momba  ny tranga niseho  tetsy amin’ny  kianjan’ny 13 mey ny 21 avrily teo. “Nahare famoizana ain’olona izahay ny asabotsy 21 avrily teo … Tsy ankasitrahanay ny herisetra namoizana ain’olona na inona na inona antony…  Aoka isika  hitandro mandrakariva hatrany ny fihavanana  sy ny maha olona”,  hoy izy ireo. Nivory sy nanao laretirety tao Antsirabe izy ireo tamin’io fotoana io.  Niaraka amin’izy  ireo  tamin’izany koa ny eveka avy atsy Nosy  Maorisy,  ny Mgr Maurice Piat.  Araka izany, hafonja sy tokony hampieritreritra ny rehetra ny hafatry ny  eveka amin’izao  fivorian’izy ireo  izao.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.