Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanadihadiana an-dRasoamaromaka Hery : itsabahan’ny resaka politika ny tontolon’ny fitsarana

Fanadihadiana an-dRasoamaromaka  Hery  : itsabahan’ny resaka politika ny tontolon’ny fitsarana

Mbola eo  hatrany ny tsindry politika.  Nahemotra anio, ny  fanadihadian’ny etsy amin’ ny Toby Ratsimandrava ny sekretera nasionalin’ny Mapar, Rasoamaromaka Hery .

 Tsy salama  ny tenany ka  tsy afaka.  Hiverina  aty  izahay  rahampitso (anio).  Tsy fantatray aloha ny mpitory hatreto”, hoy  ny mpisolovava   nisolo  tena azy, ny Me Harivola,  omaly.  Voarain’izy ireo ny asabotsy  teo ny taratasy fiantsoana.

Voalaza  fa anisan’ny antony fiantsoana ny fampihorohoroana  sy fandrahonana am-bava  nataon’ity olon’ny Mapar ity tamin’ny loholona Rakotovazaha Olivier, mpitory tamin’ireny fotoana nakana ny mpiasan’ny minisitera ireny. Anisan’izany ny tao amin’ny  biraon’ity loholona MFM/HVM ity.

Araka izany,  hita taratra ny  fitanilana sy ny fidiran’ny  resaka politika hatrany eny amin’ny tontolon’ny fitsarana. Tokony handeha mifanaraka amin’ny fotoana nahatongavany avokoa  ny  raharaham-pitsarana  na  fanadihadiana. Herintaona katroka izao ny nitorian’ny SMM ny loholona Andriamandavy Riana tamin’ny fandrahonana  ho  faty ny mpitsara sy ny korontana notarihiny teny amin’ny  Bianco. Nalaina am-bavany ireo mpitory, saingy  tsy ny nisy tohiny intsony aty aoriana. Tahaka  izany koa,  iray volana katroka  ny tifitra nahafaty olona  tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey.  Efa nitory ny  depiote 73.  Tsy nisy valiny. Ity anefa izao, haingana  be ny fiakaran’ny raharaha eny anivon’ ny mpanao  famotorana. Satria voakitikitika ny olon’ny fitondrana  ? Mbola hampiantsoina koa  ny depiote Razafimamantsoa Hanitra, Tody Arnaud… Tokony hitovy ny rehetra manoloana ny lalàna. Voaporofo izany izao fa fitsarana politika ny misy eto…

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.