Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Analakely : Afrikanina roa lahy tratra nitondra “Cocktail Molotov”

Analakely  : Afrikanina roa lahy tratra nitondra “Cocktail Molotov”

 Voasambotry ny polisy, tao amin’ny tranombarotra lehibe iray eo Anakely, omaly antoandro ny teratany afrikanina roa lahy noho ny fitazonana ”Cocktail Molotov”.

 Araka ny fanazavan’ny polisy, nisy olona niantso ny polisy fa misy baoritra be iray mamofona lasantsy napetraka teratany vahiny roa lahy ao amin’ny tranombarotra iray eo Analakely. Nividy kiraro sy ranomanitra tao amin’ilay tranombarotra izy roa lahy ireto niaraka tamin’ilay baoritra misy fonosan’entana. Rehefa azon’izy ireo ny entana novidiny tao amin’ilay mpivarotra, nangataka izy ireo mba hapetraka ao vetivety ilay baoritra ka alain’izy ireo ihany afaka fotoana fohy. Nony lasa izy roa lahy, nahatsikaritra ny olona ao amin’ilay tranombarotra fa maimbo lasantsy ilay baoritra napetrak’ireo teratany afrikanina ireo. Niantso polisy avy hatrany ireo noho ity baoritra mampiahiahy ity. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy taorian’izay ka niroso tamin’ny fisavana ilay baoritra nipetraka tao amin’ilay tranombarotra. Hita tao anatiny  ny fitaovana maromaro fanamboarana “Cocktail Molotov” sy gazy “butane” miisa roa. Nohamafisin’ny polisy fa tena mahery vaika tokoa ny fipoahana aterak’ity gazy “butane” ity.

 Noraisim-potsiny ireo Afrikanina roa lahy…

Tonga niverina haka ilay baoritra ireto teratany afrikanina roa lahy ireto, saingy efa niatrana teo ny polisy ka noraisim-potsiny izy ireo. Nentina avy hatrany teny amin’ny polisy misahana ny ady heloka bevava (BC) izy roa lahy. Fantatra nandritra ny famotorana azy ireo fa avy any Bangui, Renivohitr’i Centre Afrika izy roa lahy ireto ka ny alatsinainy 7 mey 2018 izy ireo nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Fitsangantsanganana ny voalaza fa tena anton-dian’izy ireo eto Madagasikara. Nandritra ny fahatongavan’izy ireo, nolazainy fa mipetraka amin’ny hotely lehibe iray eto an-drenivohitra izy ireo. Mitohy, araka izany, ny fanadihadiana ny nahazoan’izy roa lahy ireto fitaovana ireto sy ny hampiasana izany.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.