Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Sit in” tetsy Ambohidahy : nanatitra porofo tetsy amin’ny HCC indray ny depiote

“Sit in”  tetsy  Ambohidahy  : nanatitra porofo tetsy amin’ny HCC indray ny  depiote

 Ora sisa isaina ? Nitohy  teny amin’ny HCC Ambohidahy ny  hetsika  notarihin’ireo depiote ho an’ny fanovana, omaly. Mbola  nanatitra ny porofo vaovao sy antontan-taratasy fanampiny momba ny tsy fananganan’ny filoha Rajaonarimampianina ny Fitsarana avo  (HJC) izy ireo.  Narahin’ny antso avo amin’ireo mpitsara sivy  mianadahy izany. “Aoka  ianareo tsy ho voaraviravy vola fa hijoro amin’ny fahamarinana.  Vonona izahay ny hiaro anareo. Jereo tsara  ny didy momba ilay fitoriana fampiatoana ny filoha am-perinasa. Henoy sy ekeo ary  avohay ny fanonganana nataonay azy”, hoy izy ireo. Notsiahivin’ireto depiote ireo f a efa-taona nangirifiriana ny vahoaka, efa tonga ny fetra farany ka izao ny vokany. “Efa nisaotra anareo izahay ary mino fa mbola hisaotra anareo  ny amin’ny didy manaraka  hivoaka  eo koa”, hoy ihany ny  depiote ho an’ny fanovana. Tsiahivina  fa  efa nanatitra porofo tahaka  izao  izy ireo, herinandro lasa izay ary izao nanamafy izany indray. “Efa zava-dehive ny nilazan’ny HCC fa azo raisina ny fitoriana sy fitarainana… Miroso any amin’ny  fandresena isika”, hoy ny depiote ho an’ ny   fanovana.

Main’ny afo natsangany ny HVM

 Naharitra ora iray latsaka  ny hetsika  natao  teny  Ambohidahy. Nihazo ny kianjan’ny  13 mey indray izy ireo notronin’ireo  vahoaka marobe avy eo. Narahin’ny lahateny samihafa izany.  Anisan’ny nivoitra ny valin-kafatra  ho an’ireo parlemantera HVM nanao fanambarana, afakomaly. “Nandrehitra ny afo ianareo.  Tsy matinareo  intsony izany afo  izany.  Tsara sy mety aminareo ny mipetrapetraka satria tompon’antoka ianareo nanao io lalàm-pifidianana mampikorontana sy niteraka ra mandriaka sy fatiolona io”,  hoy  ihany izy ireo.

Fitsofana kiririoka  sy fampanenoana sarom-bilany…

 Hitohy,  anio,  indray ny  hetsika ka mbola hiverina hanao « sit in » etsy amin’ny HCC Ambohidahy  indray izy ireo.  Hialohavan’ny fiaraha-mientana ho fitakiana ny fialan’ny filoha Rajaonarimampianina izany, amin’ny alalan’ny fitsofana kiririoka  sy  fampanenoana anjomara na sarom-bilany na  koa anjombon’ny fiarakodia rehetra, anio amin’ny  12 ora. Araka izany, andrasana amin’izao  faran’ny  herinandro izao ny mety ho didy havoakan’ny HCC.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.