Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hiara-hiasa amin’ny minisitera : fikambanana valo hanatsara ny fanabeazana

Hiara-hiasa amin’ny minisitera  : fikambanana valo hanatsara ny fanabeazana

 Hizarana boky fianarana ny kilasy 6ème ka hatramin’ny 3ème amin’ny sekoly tsy miankina 25 manerana ny Nosy . 2 500 ny isan’ny boky hotsinjaraina avy amin’ny Fondation Telma sy ny minisiteran’ny Fanabeazana. Hahazo boky 100 avy isanisany ny ivontoeram-pampianarana 25.  Tanjona ny hampitovy lenta ny fari-pahaizan’ny mpianatra rehetra sy fanohanana ny fampianarana amin’ny sekoly tsy miankina, hoy ny tomponandraikitra.

Raisina ho vatsy hiatrehana ny fanabeazana ny boky azo entina hanatsarana ny fampianarana ny zaza malagasy, araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny delegasiona nasionaly misahana ny sekoly tsy miankina, Rakotoniaina Justin.

Ankoatra izay, nisy fanaovan-tsonia maromaro teo amin’ny mnisiteran’ny Fanabeazana sy ny fikambanana ary ny ONG mpisehatra amin’ny fanabeazana. Anisan’izany ny fifanarahana teo amin’ny association Ankizy sy ny tomponandraikitry ny minisitera. Hiompana amin’ny fanamafsana ny fahaizan’ny mpianatra amin’ny EPP ny tohana. Eo ny fampianarana ny teny anglisy sy fanamafisana ny fifehezana ny teny frantsay, ary ny fiarovana ny tontolo ianana.

Hitodika amin’ny fanafoanana ny fampanambadiana ny ankizy tsy ampy taona ny andraikitry ny association Young Women Christian (YWCA) miaraka amin’ny minisitera. Ho an’ny mpianatra eny amin’ny EPP ny fanentanana sy ny fampiroboroboana ny fitazonana ny ankizivavy any an-dakilasy. Fomba iray hitan’ny ONG iadiana amin’ny firosoana amin’ny fanambadiana aloha loatra ny fianarana. Ampianarina ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ny voka-dratsin’ny fampanambadiana ankizy mbola tsy ampy taona. Atoro ireo ankizy koa ny zony momba ny fananahana ara-pahasalamana.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.