Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Hanomboka anio etsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny « Herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ». Tsy hifarana raha tsy ny 17 mey izao izany tolotrta maimaimpoana ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza izany manerana ny Nosy. Marihina fa any ambanivohitra, betsaka ireo ray aman-dreny miandry fatratra ity hetsika ity hijerena ny fahasalaman’ny zanany. Eto Antananarivo, efa mandeha dokotera tsy miankina ny ankamaroan’ny reny sy ny zaza.

Noho ny filàn’ny mpandeha sy ny mpampiasa lalana rehetra ary ao anatin’ny fanatsarana ny endriky ny tanànan’Antananarivo, nisy ny fanajariana ireo toeram-piandrasana fiara fitateram-bahoaka na « Abribus » nataon’ny minisiteran’ny Fitaterana sy famantarana ny toetr’andro. Toerana natao ho an’ny rehetra, azo hialofana sy hipetrapetrahan’ireo mpandeha sy mpiandry fitateram-bahoaka izy io. Mbola betsaka anefa ireo toerana fiandrasana fiara fitaterana mifa fanamboarana satria lasa fivarotana ny sasany, malotobe sy fanaovan’ny 4’mi maloto ny sasany.

Les commentaires sont fermées.