Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsipy kanetibe – Vola iray sobika : fahombiazana ny andiany faharoa

Tsipy kanetibe – Vola iray sobika  : fahombiazana ny andiany faharoa

Tontosa, ny asabotsy sy ny alahady lasa teo, tetsy amin’ny kianja Paddock Mahamasina,  ny andiany faharoa amin’ny vola iray sobika, taranja tsipy kanetibe. Fihaonana, nokarakarain’ny ligin’Analamanga. Fahombiazana tanteraka ny fifaninanana satria nahasarika mpifaninana maro, avy amin’ireo faritra samihafa.

Nahitana mpilalao vaovao, manana ny fahaiza-manaony, ny hetsika, araka ny tanjon’ny ligy izay hitrandraka ireo talenta vao. Nahatratra 183 ireo nandray anjara, tamin’ity andiany faharoa ity, nozaraina ho sokajy efatra : ireo mpilalao vao miana-draharaha na “amateurs”, nahavory mpifaninana be indrindra satria nahatratra 123.

Teo koa ny an’ny sokajy vehivavy, nisy mpifaninana 11 ary ny an’ireo efa kalaza na “elite”, nisy mpandray anjara 53 ary 16 kosa ireo nihaona teo amin’ny zokiolona na ny “veterans”. Marihina fa natolotra ireo mpandresy ny 70%-n’ny saran’ny fisoratana anarana, amin’ny maha vola iray sobika azy.

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.