Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toliara : hanomboka ny tetikasa Passat 2

Toliara  : hanomboka ny tetikasa Passat 2

Tetikasa tohanan’ny fikambanana alemà MBZ vola ny Fanadiovana sy ny fanjarian-tsakafo any Toliara (Passat), tanterahin’ny ONG Welthungerhilfe. Tapitra ny telo taona niasany ary nanomboka ny 18 avrily teo indray ny andiany faharoa Passat 2, hiampy telo taona vaovao fanampiny, hatramin’ny taona 2020. Maro ny sehatra iasan’ny Passat, toy ny fahadiovana sy ny fahasalamana, ny fampandrosoana toekarena ao Toliara, ny famoronana asa, ny fanomezana fidiram-bola ho an’ny mponina, sns.

Ao anatin’ity tetikasa andiany faharoa ity, ny fanangonana fako 70 t isan’andro ao an-tampon-tanànan’i Toliara, raha 40 t izany teo aloha. Hampitomboana ho 45 ny isan’ny bakan- jaoridira raha 35 ankehitriny. Hokarohina ny famatsiam-bola ahafahana mitantana sy manodina ireo fako ireo. Hisy orinasa tsy miankina hafa hanampy ireo telo efa misy, manodina ny fako any an- toerana. Hitombo ny asa, araka izany, manampy ireo 150 niforona tato anatin’ny telo taona.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.