
Manetsiketsika ny tapany avaratr’Alaotra-Mangoro ny talem-paritry ny Fizahantany, Razanamariarilala Léa. Ny any Mangoro aloha, efa manana an’Andasibe, fanta-daza, tsy eto an-toerana ihany fa hatrany ivelany. Misy ny lalàna mamaritra toerana ho an’ny fizahantany na RFT (Réserves foncières pour le tourisme) ka misoratra amin’ny minisiteran’ny Fizahantany ireny toerana ireny rehefa voafaritra ara-dalàna. Koa mifanaraka amin’ny minisitera mpiahy izay mpandraharaha te hampiasa vola hanangana hotely, toeram-pialamboly, fitsangantsangana, na fikarohana eny amin’ireny toerana ho an’ny fizahantany ireny.
Na izany aza, mandrafitra ilay faritra miaraka amin’ny mponina ao amin’ilay toerana ny minisitera. Ny taona 2012 no efa nisy tsirin-kevitra avy amin’ny foibem-paritra. Vita ny taona 2014 ny fiaraha-namaritra ny velaran-tany 13 ha mahery manodidina ny farihy Antsirika, 6 km atsinanan’Ambatondrazaka, niaraka tamin’ny mponina any an-toerana. Ary lasan’ny minisiteran’ny Fizahantany tanteraka ity tany nangatahiny amin’ny fanjakana ity rehefa vita ny fametahana ireo tsangambato mamaritra azy.
Misy koa ny hoe “Fanadihadiana ifotony” tanterahin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany, araka ny fangatahan’ny talem-paritry ny Fizahantany Alaotra-Mangoro, ny 5 mey teo. Mora ny asa ao Antsirika, satria efa misy Vondron’olona ifotony, ny Zanak’Antsirika Miray (Zam) manana mpiara-miombon’antoka (Departement Ile-et-Vilaine) nanangana ny fotodrafitrasa.
Rarivo
Les commentaires sont fermées.