
Tsy afaka ny hangina intsony. “Mangataka izahay tanora ny hamoahana kandidà iraisana, avy amin’ny zanaky ny Grand Sud, ahitana ny faritan’i Fianarantsoa sy i Toliara. Kandidà afaka hampandroso ny faritra sy ny firenena, hifaninana amin’ny fifidianan filoham-pirenena hatrehin’ny firenena amin’ity taona ity”, hoy izy ireo, tamin’ny fanambarana, omaly. Hialohavan’ny fihaonana lehibe eo amin’ireo raiamandreny, am-panahy, ara-drazana, na mpanao politika avy amin’ny faritra izany, hampivondronana ny hery sy hamoahana kandidà iraisana amin’ny fifidianana. Tanjona amin’izany ny hitadiavana solontena afaka miaro ny tombontsoan’ny faritra sy ny firenena manontolo, araka ny fanambarana.
Mitaraina koa ireto tanora ireto amin’ny fanaovana faralahy hatrany ny eo anivon’ny Grand Sud amin’ny fampandrosoana, indrindra eo amin’ny toekarena sy sosialy eto amin’ny firenena. “Fotoana izao itrangan’ny fiovana eto amin’ny firenena izao ka hararaotina sy handraisan’ny zanaky ny faritra ny hoaviny”, hoy ihany ireto tanora ireto.
Tanora tsy hanaiky atao fitaovana
Nanterin’izy ireo fa tsy voatery ho zava-dratsy hatrany ny ateraky ny fiovana sy ny krizy mitranga eo amin’ny firenena.
Etsy andaniny, miantso fihaonana amin’ny raiaman-dreny am-panahy, ara-drazana , na mpanao politika avy amin’iny faritra atsimo manontolo iny ihany koa izy ireo, mba hitady vahaolana maharitra amin’izao raharaham-pirenena izao. Iantsoana ny fandraisan’andraikitry ny zanaky ny Grand Sud rehetra izany, araka ny fanambarana ihany. Nahitsy koa izy ireo nilaza fa ampy izay ny fanaovana tohatra fiakarana ny tanora, hakana fahefana sy fitondrana.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.