Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiainam-pikambanana : haniraka ny kristianina ny HFKF

Fiainam-pikambanana  : haniraka ny kristianina ny HFKF

 Nipoitra ny Hetsika fampiraisana  kristianina ho an’ny firenena (HFKF), manoloana  izao fiainam-pirenena  izao. “Tanjonay  ny hitaiza sy hanentana ary haniraka ny kristianina hijoro  ho  vavolombelon’Andriamanitra eo amin’ny  sehatry ny  fiarahamonina sy ny  firenena”,  hoy izy  ireo tetsy Antaninarenina,  omaly. Anisan’ny dingana hirosoana amin’izany ny  fametrahana rafitra ahafahan’ny kristianina mihaona sy mifampizara ary koa  mifanampy eny amin’ny sokajim-piarahamonina misy azy ireny. “Miseho amin’ny maha kristianina sy mitondra ny soatoavina kristianina koa…” , hoy ihany izy ireo. Manampy izany ny fampiraisana ny samy kristianina manana finoana  mifototra amin’ny famonjen’i  Jesoa. Eo  koa ny fanohanana ny fiangonana  sy ny kristianina amin’ny adidy miandry azy eo amin’ny fiarahamonina sy ny firenena. “Hahatonga ny firenena ho lasa mpianatr’i Kristy ny Malagasy ka hanjaka eto ny soatoavin’ny fanjakan’Andriamanitra”, hoy ihany izy ireo.

Nialoha izany,  notanisain’izy ireo ny lesoka sy ny vahaolana amin’ny  sehatra  samihafa  eto  amin’ny  firenena. Anisan’izany ny fanabeazana, ny fianakaviana, ny fivavahana, ny zavakanto, ny serasera…

Tsiahivina  fa tsy fiangonana na antoko politika ny HFKF.  Mijanona  ho fikambanana tsotra ihany izy ireo ary vonona  hiara-kiasa amin’ny  rehetra, toy ny FFKM…

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.