Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fepetran’ireo depiote amin’ny mpanelanelana : « miala aloha Rajaonarimampianina vao miresaka isika… »

Fepetran’ireo depiote amin’ny  mpanelanelana  : « miala  aloha Rajaonarimampianina  vao miresaka isika… »

 Hentitra  ary mazava ny fepetra savaranonando.  “Miala aloha ny filoha Rajaonarimampianina. Miala  koa  ireo olom-boatendrin’izao fitondrana izao. Miala avokoa ary rava ny governemanta miaraka amin’ny praiminisitra  sy  ireo  loholona, anisan’izany  Rakotovao Rivo”, hoy ny lahatenin’ireo depiote  ho an’ny  fanovana, tetsy amin’ny  kianjan’ny 13 mey,  omaly. Notaterin’izy  ireo  tamin’izany ny dinika nifanaovana tamin’ny FFKM, omaly,  ka nametrahana io  fepetra fialan’ny  mpitondra iray manontolo  io. “Tatero any amin’ny filoham-pirenena any fa nanitsakitsaka lalàmpanorenana miverimberina  izy.  Tsy nanaraka ny didim-pitsarana ary  koa tsy nametraka fitoniana  teto amin’ny firenena ka tokony hiala…”, hoy ihany ny  depiote. Nanana solontena fito izy  ireo  nihaona tamin’ireo eo anivon’ny fiangonana efa-tonta. Mbola  fepetra hapetrak’izy ireo amin’ny mety ho fanelanelanana ataon’ny sehatra iraisam-pirenena  koa  izany fialan’ny  mpitondra  izany, mialoha ny dinika rehetra hatao, handaminana ny firenena.

Tsy  tatry ny vela-pandrika

Hatreto aloha  izany,  nampisinda  ny  ahiahy sy ny feo  niely ny lahatenin’ireo depiote  ny amin’ny ambara  fa fivilian’ny tolona eny amin’ny kianjan’ny 13  mey. Tafiditra ao anatin’izany  ny ambara fa  fihetsiky ny  lehiben’ny antoko  misy azy  ireo,  niteraka resabe  tato ho ato. Mbola  nohamafisin’izy ireo fa tolon’ny depiote 73  izao ary miainga amin’ny  feon’ny vahoaka. Izany  hoe, tsy  tafiditra amin’ny vela-pandrika tany ho any  ireto depiote ireto ny  amin’ny  handravana na koa hampivakiana  ny Tim sy ny Mapar, manoloana  ny  tolona iraisana.

Etsy andaniny,  tsy azo ihodivirana  ny hijoroan’ny governemanta tsy mitanila, hitantan –draharaha sy  hampandeha ny fifidianana. Tsy maintsy miainga amin’ireo depiote 73 anefa  izany governemanta ho an’ny fampiraisam-pirenena  izany amin’ny maha maro anisa azy ireo.  Tsy misy fanonganam-panjakana  koa anefa  izany rehetra izany fa manaraka  ny lalàmpanorenana,  araka ny  lahateny  ihany.

Hanao fanambarana lehibe ny  depiote…

 Tsiahivina  fa  naka ireo mpiasam-panjakana eny amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena,  Anosy,  sy ny Fampianarana  teknika,  eny  Ampefiloha,  izy  ireo, omaly. Nihazo ny HCC  nanafatra ireo mpiasa fa mbola misy vary mangatsiaka, amin’ny tokony hametrahan’ny filoham-pirenena fialana  koa  ao Ambohidahy  ao.  Nanao diabe niainga avy etsy  Ambohijatovo izy  ireo avy eo,  nihazo ny  kianjan’ny 13 mey. Nanao tahaka  izany  koa, naka ny mpiasan’ny sampandraharaham-panjakana, ireo  any amin’ny faritra. Anisan’izany ny  tany  Antsiranana sy  Mahajanga, omaly.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.