
Fararanom-bahiny. Higadona, anio eto amintsika, ny mpanelanelana avy amin’ny Troika eo anivon’ ny Sadc, i Chissano. Mazava ny valin-kafatra avy amin’ny depiote ho an’ny fanovana, teny an-kianja, omaly. “Efa haintsika fa nampidi-kizo ny firenena tamin’ny ilay hoe “Ni…Ni” ilay rangahy io. Tsy ekentsika hiverina eto amin’ny firenena intsony ny tahaka izany”, hoy izy ireo. Efa nialoha lalana ity iraky ny Sadc ity ny avy amin’ny ONU sy ny Vondrona afrikanina (UA) ary nihaona amin’ny mpitondra. Mbola hihaona koa amin’ireo filoha teo aloha, Ratsiraka sy Ravalomanana ary Rajoelina. Eo koa ny ho fihaonan’izy ireo amin’ny CFM sy ny FFKM.
Etsy andaniny anefa, nanitrikitrika ny eny amin’ny kianjan’ny 13 mey fa tsy vonona hifampiresaka amin’ny mpitondra raha hanelanelana momba izany ny ahatongavan’ireo vahiny eto amintsika ireo. “Tsy maintsy mihavana amin’ny vahoaka aloha ireo mpitondra ireo. Tsy hifampiresaka amin’ny mpamono olona sy mpanao kolikoly izahay. Tsy azo iraisana latabatra sy hifampiresahana ny olona tahaka izany… Aleo ihany koa ho raharahan’ny Malagasy izy ity fa tsy itsabahanareo iraisam-pirenena”, hoy ihany ny depiote.
Araka izany, ho sarotra ny fanelanelanan’ny vahiny amin’izao raharaha izao.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.