Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Efa nigadra 2 taona teny Antanimora… : tratra indray ilay ramatoa nisoloky ho mpiasan’ny OMS

Efa nigadra 2 taona teny Antanimora…  : tratra indray ilay ramatoa nisoloky ho mpiasan’ny OMS

 Naiditra am-ponja omaly rehefa avy natolotra ny fitsarana ity renim-pianakaviana ikoizana amin’ny fisolokiana ity. Nilaza izy fa mpiasan’ny OMS ka noraisim-potsiny…

 Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahenina eny Ambohimanarina, ny sabotsy 5 mey 2018 maraina teo ity renim-pianakaviana voarohirohy amin’ny fisolokiana avo lenta ity. Araka ny fanazavan’ny polisy, nisoloky tamina orinasa iray eny Andraharo izy ary efa ikoizana amin’ny fisolokiana. Tsy vao izao fa efa fanintelony izy no tratran’ny polisy noho izay resaka fisolokiana izay. Ny taona 2007 izy no tratra voalohany noho ny fisolokiana ary nigadra roa taona teny amin’ny fonjan’Antanimora. Ny faharoa kosa vao tamin’ny herintaona izay nisaziany enim-bolana teny am-ponja. Tamin’ny fisamborana azy farany, tonga tao amina orinasa iray ity renim-pianakaviana ity ary nilaza fa mpiasan’ny OMS. Rehefa nihodinkodina ao amin’ilay orinasa izy, mampiseho sy mampiasa taratasy maromaro milaza fa tokony homena vola 40 000 Ar ao amin’ilay orinasa izy.

Mailo ny tompon’andraikitra tao amin’ilay orinasa ka niantso polisy avy hatrany ka noraisim-potsiny ilay renim-pianakaviana mpisoloky. Nohamafisin’ny polisy fa isan’ny fomba fanaony koa ny mitaky vola eny amin’ireny  mpivarotra ireny ka milaza ho dokoteran’ny OMS hatrany rehefa manao ny asa ratsiny. Mody mampiseho taratasy hosoka izy ary lazainy fa tsy manaraka ny fenitra amin’ny resaka fahasalamana ireny mpivarotra ireny. Noho izany, mila mandoa vola aminy ireo mpivarotra ho sazin’ny tsy fanarahana ny fenitra momba ny sakafo sy ny toeram-pivarotana. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy.

Marobe ireo olona efa voasoloky nandritra izay taona maro nanaovana ny asa ratsiny izy, araka ny fanazavan’ny polisy hatrany.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.