Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Collectif Tany : tokony hofoanana ny fahalnian’ny lalàna ZES

Collectif Tany  : tokony hofoanana ny fahalnian’ny lalàna ZES

 Ho an’ny fikambanana Collectif Tany, tsy hitondra fampandrosoana ny Malagasy sy ny firenena ny fanomezana tany ny vahiny. Tsy misy ny fakan-kevitra ho an’ny vahoaka nefa mifanaraka sahady amin’ny Maorisianina ny mpitondra.

Mitsipaka ny nandanian’ny Antenimiera roa tonta ilay lalàna 033-2016, mifehy ny Faritra toekarena manokana (ZES), ny fikambanana fiarahamonina sivily Collectif Tany, miara-miombon’antoka amin’ny fikambanana iraisam-pirenena Craad-OI. Ho azy ireo, maro ny zavatra tsy mazava mikasika azy ity, tsy ahitana mangarahara, sady tsy hitondra fampandrosoana ho an’ny vahoaka malagasy sy ny firenena mihitsy. Singanina amin’izany ny nanaovan’ny fitondrana fifanarahana sahady tamin’ny fitondrana maorisianina ny 11 marsa tany Port Louis, Maorisy, mikasika ny hametrahana ZES any Taolagnaro. Tsy nampahafantarina ny besinimaro koa ny fanitsiana nataon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), ka tokony foanana tanteraka ny nandanian’ny Antenimiera azy. Mitaky adihevitry ny olom-pirenena Malagasy ny Collectif Tany mialoha ny handrosoana ny lalàna mikasika ny tany eny amin’ny Antenimiera roa.

Mitovy amin’ny “bail emphytéotique” ihany

Manampy ireo, nolanina ny 3 avrily 2018 teo ity lalàna ity, nefa iaraha-mahita fa samy maro ny manohitra azy toy ilay lalàm-pifidianana fototry ny krizy mipoitra ankehitriny. Milaza ny filoham-pirenena fa tsy fivarotana tany ho an’ny vahiny ny ZES, fa “30 taona azo havaozina”. Ho an’ny Collectif Tany, manafintohina ny olom-pirenena maro ny fivoizana azy io amin’ny televziona maromaro. Tsipihin’ny Collectif Tany fa mitovy ihany ny foto-kevitry ny ZES sy ny fampanofana tany maharitra (bail emphytéotique) satria ataon’ny orinasa vahiny antoka any amin’ny banky. Roahina eo amin’ny tany koa ny tantsaha ka tsy afa-mamokatra intsony, fa ho lasan’ny vahiny ny tombontsoa rehetra. Midika ho tsy voafetra ihany koa ny dikan’ny hoe “azo havaozina”.

Ho an’ny taranaka ny tany

Tsy fantatra mazava koa ny zaratombony (dividende) rehefa mahazo tombombarotra ny orinasa vahiny, tsy hetra, nefa tsy voatery hanolotra tany anjatony hekitara ny vahiny ny fanjakana vao hampiditra hetra na volam-panjakana.

Lazain’ny fitondrana koa fa mifanandrify amin’ny  safidy mikasika ny fiarahamonina. Manamafy ny Collectif Tany fa mifanipaka tanteraka amin’ny tombontsoan’ny Malagasy maro anisa izany vinam-piarahamonina mikasika ny ZES izany satria ho very ny velaran-tany midadasika ho an’ny fianakaviana sy ny taranaka any aoriana. Ilain’izy ireo tokoa anefa io velaran-tany io hivelarany sy handrosoany maharitra.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.