Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ceni : “tsy maintsy fifidianana no hiafaran’izao”

Ceni    : “tsy maintsy fifidianana no hiafaran’izao”

Hanao ahoana ihany ny ho tohiny sy faran’izao toe-draharaham-pirenena izao? Tsy maintsy hiafara amin’ny fifidianana, raha ny fejerin’ny Ceni .

“Na inona na inona mety ho fivoarana sy ny tohin’izao raharaha izao, tsy maintsy fifidianana ihany no hiafarany. Firenena repoblikanina sy demokratika isika, tsy maintsy fifidianana ihany no ametrahana mpitondra eo anivon’ny firenena.” Io ny fanehoan-kevitry ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, momba ny toe-draharaham-pirenena.

“Miangavy ny fandraisana andraikitra ho an’ireo tomponandraikitra rehetra izahay”, hoy izy. Na mpitondra fanjakana izany, na ny mpanao politika, na ireo andrimpanjakana isan-tsokajiny. Mila mandray andraikitra izy ireo, indrindra amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny amin’ny tena lalàna hitantanana ny fifidianana ho avy eto Madagasikara.

Mila faritana ny lalàm-pifidianana hampiasaina

Azo hiverenana, ohatra, ireo lalàna nampiasaina tamin’ny 2013 sy ireo lalàna fifidianana filohan’ny Repoblika sy ny fifidianana depiote izay tsy maintsy amboarina, araka ny nambarany. Lalàna ho an’ny fifidianana filohan’ny Repoblika voalohany sy ny depiote voalohany amin’ny Repoblika IV ireo: tsy azo ampiasaina intsony, fa tsy maintsy misy fanamboarana eny anivon’ny Antenimiera.

Maika ny filaminana sy fitoniana

Miangavy ny handraisan’ny rehetra fepetra ny Ceni hametrahana filaminana sy fitoniana mialoha ny hikarakarana ny fifidianana. Ilaina ny fifanarahan’ny rehetra amin’izany hampilamina sy hampitony ny fifidianana. Tokony hofaritana ny tetiandrom-pifidianana. Ny fivoahan’izany no hampitony ny rehetra, ka hampifantoka ny saina amin’ny fanomanana ny fifidianana.

Safidy telo no azo atao momba ny fiatrehana fifidianana: na haroso mialoha ny fotoana izany, na hatao amin’ny vanim-potoana voalazan’ny lalàmpanorenana, na hahemotra. Tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra amin’izay tena hatao ny rehetra. Mba tsy hampisavorovoro saina ny vahoaka malagasy izany, indrindra ny Ceni izay hikarakara ny fifidianana.

R. Nd.

 

Les commentaires sont fermées.