Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antsiranampasika : mpamaky trano niharan’ny daroky ny fokonolona

Antsiranampasika  : mpamaky trano niharan’ny daroky ny fokonolona

Mirongatra izay tsy izy ny asan-jiolahy isan-karazany manerana ny fokontany  any Toamasina. Jiolahy mpamaky trano efa ela no niandrasan’ny fokonolona azy, sarona ny alin’ny alahady teo, tany Antsiranampasika. Raikitra ny daroka sy vely kibay ka tsy nahazaka  izay nahazo azy ilay jiolahy ary nilaza ny toerana fanafenany ny entana azony.  Eny amin’ny fasana izay tsy lavitra ny tranony mialoha ny hivarotany azy. Mbola nahatrarana entana halatra rahateo izy tamin’ny fisamborana azy. Mba hisorohana ny fitsaram-bahoaka, noraisin’ny filoham-pokontany haingana ny andraikiny ary niantso ny polisin’ny Fip izy haka ilay mpangalatra. Tonga teny an-toerana ny polisy naka ilay olon-dratsy ity, izay efa reraky ny daroka nahazo azy. Hatao famotorana eny amin’ny biraon’ny polisy ity farany.

Sajo

Les commentaires sont fermées.