Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatovinaky Ambatolaona : fiara 4×4 latsaka tany anaty hantsana, olona dimy naratra mafy

Ambatovinaky Ambatolaona  : fiara 4×4 latsaka tany anaty hantsana, olona dimy naratra mafy

Nitrangana lozam-piarakodia nandratrana olona indray teny amin’ny RN 2, ny asabotsy vao maraina lasa teo. Tao Andonana fokontany Ambatovinaky kaominina ambanivohitra Ambatolaona, distrikan’i Manjakandriana, PK 55 + 400 no nitranga ny loza. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, fiara 4×4 iray marika Nissan an’ny orinasa iray ao Toamasina ity tra-doza ity. Avy Toamasina hiakatra aty an-drenivohitra ilay fiara 4×4 tamin’io fotoana io. Voalazan’ireo mponina teny amin’ny manodidina ny toerana nitrangan’ny loza, araka ny tatitra avy amin’ny zandary fa niantefa teny amin’ny mason’ilay mpamily fiara 4×4 ny taratry jiron’ny fiara nifanena taminy. Jambena noho izany ilay mpamily ka tsy nahafehy ny familiana intsony ka nivarina nivadibadika tany anaty hantsana mirefy 29 metatra eo ho eo ilay fiara. Vokany, naratra mafy avokoa ireo olona dimy tao anaty fiara ka isan’izany ny mpamilin’ilay fiara 4×4. Tonga haingana teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza ny zandary avy ao amin’ny “poste avancé”-n’Ambatolaona. Nalefa haingana eny amin’ny hopitaly ireo naratra. Nahitana fahasimbana ihany koa ilay fiara vokatry ny fianjerana tao anaty hantsana. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na teo aza ny fahavoazana nahazo ireo niharam-boina.

Matetika itrangana lozam-piarakodia amin’iny RN 2 iny. Marobe ireo fiara mifamezivezy na andro na alina. Misy amin’ireo fiara anefa no tsy manaja ny lalana mifehy ny fifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena indrindra ireo mandeha amin’ny alina.

Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary.

J.C

Les commentaires sont fermées.