
“Mangataka 10 andro izahay hamahana io savorovoro io. Tsy ampy ny fikatsahana fihavanana, fa ilaina ny mivavaka mitalaho amin’Andriamanitra ho an’ny firenena”, hoy i Brice, eo anivon’ny Vovonana Ankata. Nambaran’izy ireo tetsy Ankadifotsy fa ao anatin’ny roa andro voalohany ny fanatanterahana ny miara-manonja. Tsy maninona na miara-manonja miaraka amin’ny mpanao gazety aza, raha handamina ny firenena izany. “Miara-manonja amin’ireo heverina fa manan-kasim-panahy, sy ny olom-pirenena. Mitodika amin’ilay Nahary, ny 48 ora. Valo andro aorian’io, ny, hiposaka ny masoandro ho an’ny firenena », hoy ihany izy. Nohitsiny kosa fa tsy hampilamina na hampitony ny olana ny fanenjehana azy ireo. Manana adidy ny vovonana hilaza amin’ny rehetra hilaminan’ny firenena. Aorian’ny fahatongavan’ny filaminana, hangina ny Vovonana Ankata.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.