Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tarika Nina’s : hiaka-tsehatra any Mangabe

Tarika Nina’s  : hiaka-tsehatra any Mangabe

Sambany any amin’ny distrikan’Andramasina.  Hiaka-tsehatra ao amin’ny tokotany malalaky ny CEG Ambodiriana ny tarika  Nina’s ny asabotsy 16 jona ho  avy zao. Hanomboka amin’ny iray ora izany seho goavana,  tsy  fahita firy, izany ary iarahana amin’ny mpampianatra ao amin’ny CEG Ambodiriana Mangabe, any amin’ny  kaominina  Sabotsy  Manjakavahoaka. Tafiditra amin’ny  fankalazana ny  faha-10 taon’ny sosialin’ny mpampianatra any an-toerana izao  hetsika  izao. Tokana ary indray mandeha  tsy miverina  ny ity fiakarana an-tsehatr’i  Ninas any amin’iny  faritra iny ity ka hanasan’izy ireo ny vahoakan’ny distrikan’Andramasina manontolo. Fanohanana ny sosialin’ireo mpampianatra rahateo izany  sady hanampiana azy ireo amin’ny asa fanabeazana iantsorohany. Nampanantena  ny mpikarakara fa tsy handiso fanantenana ny rehetra izao fampisehoana lehibe iarahana amin’izy ireo izao.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.