Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

R. Jean Nirina : fitaovana politika hatrany ny vahoaka

R. Jean Nirina : fitaovana politika hatrany ny vahoaka

« Manoloana ireo tolom-bahoaka maro teto amin’ny firenena : 1972, 1991, 2002, 2009 izay niafara tamin’ny famoizana ain’olona hatrany ary maro ireo mpiray tanindrazana naratra sy very fananana ary very asa sy lany fotoana. Latsaka ankaterena ao anaty lavaka lalina ity tanindrazana ity satria voafitaka hatrany ny vahoaka », hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly. Nilaza izy fa hain’ny mpanao politika ny milalao vahoaka ary ny rafitra no olan’ny fampandrosoana eto amin’ny firenena. Mifampihataka sy mifanalavitra ny mpitondra sy ny vahoaka ary zary lasa horaisin’ny vahoaka ho fahavalony aza ny mpitondra fanjakana rehefa misy zavatra tsy mahomby eo amin’ny fiainany. Manan-karena i Madagasikara kanefa ny vahoaka mahantra fadiranovana ka valifaty politika sy fifampihantsiana no misy hatramin’izay. Niady hatrany tao anatin’ny sosialim-bahoaka sy ny rafitry ny fokonolona ary ny « exode urbain » izay misy porofo, toy ny any Soaniadanana RN 4 ny Hafari Malagasy.

« Natao fitaovana politika hatrany ny vahoaka hatramin’ny nahazoana fahaleovantena no ho mankaty. Tsy hanaiky hatao fitaovana politika na hofitahin’ny mpanao politika intsony ny Hafari ka mitaky fifanarahana matotra eo amin’ny samy mpanao politika”, hoy izy.

J.C

Les commentaires sont fermées.