Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Misaona ny polisy : nodimandry ny minisitra teo aloha, Anandra Norbert

Misaona ny polisy  : nodimandry ny minisitra teo aloha, Anandra Norbert

Nodimandry, afakomaly alina, ny minisitra teo aloha ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de Police, Anandra Norbert, rehefa nanaraka fitsaboana tao amin’ny HJRA noho ny aretina nahazo azy. Andrasana eny amin’ny Fip Antanimora ny vata-mangatsiakany, nanomboka omaly.

Minisitra tao anatin’ny governemanta Mahafaly ihany ny minisitra teo aloha, Anandra Norbert, ny faraparan’ny taona 2016 ka hatramin’ny marsa 2018. Anisan’ny nanamarika ny fitantanany ny “Raharaha Antsakabary”. Nandritra ny naha minisitra azy no nisehoan’iny tantara nahabe resaka ny teo anivon’ny polisy iny. Fantatra fa iny toe-draharaha iny ny antony nanalana azy ho minisitra, ankoatra ny toe-pahasalamany. Efa niditra hopitaly matetika izy, ary nisy fotoana aza nandehanany nivoaka tany ivelany.

Ny gazety Taratra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviamben’ny polisim-pirenena sy ny fianakavian’ny minisitra.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.