Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «CJSOI 2018» : nomena fankasitrahana ny Barea

Kitra – «CJSOI 2018»  : nomena fankasitrahana ny Barea

 Na tsy nandrombaka ny medaly volamena, teo amin’ny lalao «CJSOI 2018», notanterahina tatsy Djibouti, aza ny Barea de Madagascar, sokajy U17, nankasitrahan’ny federasiona malagasy (FMF) hatrany ireo mpilalao izay tsy nampitsanga-menatra ny zava-bitany. Raha tsiahivina, resin’i La Réunion, teo amin’ny lalao famaranana, tamin’ny alalan’ny fandakana ny «tirs au but», 6 no ho 5, ny Barea de Madagascar.

Omaly, ho fampirisihana sy ho fisaorana ny zava-bitan’ireo zandrikely, notolorana lelavola 200.000 Ar tsirairay ireo mpilalao rehetra, nandrafitra ny Barea de Madagascar, niatrika iny lalao «CJSOI 2018» iny. Tsy nanadino ireo mpanazatra telo mirahalahy ihany koa ny federasiona noho ny ezaka nataony ka nomena 300.000 Ar tsirairay ry zalahy, tamin’izany. «Tsy dia hoe fankasitrahana fa marika isaorana ny ezaka maha te hidera vitan’ny mpilalao no nomena azy ireo», hoy Andriamiasasoa Doda, filohan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra.

Tsiahivina fa lasan’ny Barea de Madagascar avokoa ny mpilalao mendrika sy vodilaharana mendrika ary ny mpamono baolina be indrindra.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.