Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

I”salo Raid 2018” : 60 ireo atleta vahiny handray anjara

I”salo Raid 2018”  : 60 ireo atleta vahiny handray anjara

Hiavaka ny “Isalo Raid 2018”, satria tsy ho latsaky ny 60 ireo atleta vahiny hifaninana, amin’izany. Fihaonana, hotanterahina ny faran’ny volana jolay 2018. Anisan’ireny ilay teratany reonioney, i Thierry Chambery, tompondaka ny taona 2011.

Hiditra amin’ny andiany faha-12 ny “Isalo Raid”, amin’ity taona 2018 ity. Fihaonana, karakarain’ny Rando run ocean Indien, tarihin’i Jean Marie Daval. Hotanterahina, ny 28 jolay ho avy izao, izany izay hiavaka noho ny fiavian’ireo atleta vahiny miisa 60, hifampitana amin’ireo Malagasy.

Hisy ireo avy any Mayotte, La Réunion, Maorisy ary Frantsa. Hangotraka,  araka izany, ity andiany ity, efa zary lasa fotoana hifanomezan’ny mpifaninana mankafy ny fianihana tendrombohitra sy fitetezana lohasaha. Anisan’ireo ho avy handray anjara ilay Reonioney, i Thierry Chambery, efa nandrombaka ny fandresena, ny taona 2011. Hifampitana aminy Randrianaely Docy, mpifaninana avy any Nosy-Be, tompondaka farany.

Hizara roa ny fifaninanana ka hisy ny “semi raid”, mirefy 25 km, sy ny “grand raid”, hanana halavirana 45 km. Hotolorana lelavola 200.000 Ar sy medaly ny voalohany raha 100.000 Ar ny faharoa ary 50.000 Ar ny fahatelo.

Hahafinaritra ny hetsika satria ankoatra ny maha fanatanjahantena azy, eo koa ny fizahantany ka hankafizana ny hakanton’ny valan-javaboahary ao Isalo,  voasokajy ho harem-pirenena iraisam-pirenena.

Nambaran’i Jean Marie Daval fa efa betsaka ireo maniry handray anjara, amin’ity. Porofon’izany, efa tafakatra 240 ireo nisoratra anarana, telo volana mialoha ny tena fifaninanana. Tarehimarika nandritra ny fifaninanana, tamin’ny taon-dasa. «Efa fahombiazana sahady izany. Ho an’ity taona ity, mihevitra ny hahazo mpifaninana 300 izahay. Manaporofo izany fa anisan’ny fifaninanana goavana indrindra aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, ny «Isalo raid»», hoy hatrany, i Jean Marie Daval.

Ankoatra,  ity Isalo raid ity, efa manomana ny “Marathon de Diégo”, hatao ny 30 septambra,  sy ny “Nosy Be trail”, ny 8 desambra, ny Rando run ocean Indien.

 Torcelin

Les commentaires sont fermées.