Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

FOAD- Oniversiten’Antananarivo : tsy mbola nanomboka ny taom-pianarana 2017-2018

FOAD- Oniversiten’Antananarivo  : tsy mbola nanomboka ny taom-pianarana 2017-2018

 Hatramin’izao, tsy mbola miditra amin’ny taom-pianarana vaovao 2017-2018 ny Formation ouverte à distance (Foad) ho an’ny lalam-piofanana fitantanana, araka ny fampitam-baovao nataon’ny filohan’ny association pédagogique ao aminy, Rasoavonarivo Camille. Ho an’ny fampianarana ao anaty efitrano eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, efa niroso amin’ny fisantarana ny taom-pianarana avokoa ny sokajy rehetra ny 9 avrily lasa teo. Olana tsy hanombohan’ny fampianarana ny tsy fahazoan’ny mpampianatra ny tambin-karama roa taona. Efa nandefa antontan-taratasy amin’ny tomponandraikitra isan’ambratongany ny solontenan’ny mpianatra hitady vahaolana fa lasa takalonaina ny mpianatra. Voaloa ara-dalàna sy ara-potoana avokoa ny saram-pianarana fa miandry ny fihaonana amin’ny mpampianatra sisa izy ireo. Miandry ny valin’ny fangatahana izy ireo amin’izao fotoana izao.

Ny tena olana, miaraka ny tetiandro hanatanterahana ny fanadinana rehetra, voatery miandry ny mpianatry ny Foad ny mpianatra eny Ankatso raha misy ny fahatarana. Ny diplaoma azo aorian’ny fampianarana koa mitovy na ampitain-davitra na manatrika ao anaty efitrano. Voakasiky ny olana miseho ny sokajy L1 hatramin’ny M1.

Vonjy         

Les commentaires sont fermées.