Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fety de basikety” – Andiany fahatelo : nanohana ny hetsika ny Otiv Vonjy

Fety de basikety” – Andiany fahatelo  : nanohana ny hetsika ny Otiv Vonjy

 Hiditra amin’ny andiany fahatelo ny «Fety de basikety e!».  Fihaonana, karakarain’ny fikambanana, Andraisoro Tia Basket-Ball (AT2B) ary tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-10 taona nitsanganany. Hifangaroan’ny fety sy ny basikety ny hetsika hotontosaina ny 12 mey ka hatramin’ny 5 aogositra ho avy izao, eny amin’ny kianja Andraisoro. Noho izy ity  tena fety be, manohana ny AT2B ny Otiv (Ombona tahiry ifampisamborana vola), ny Agence Vonjy eto Antananarivo.

Araka izany, hahazo vola 1.000.000 Ar ny ekipa ho mpandresy eo amin’ny lehilahy raha 600.000 Ar kosa ny eo amin’ny vehivavy. Ankoatra izay, nanolotra “panneux de basket” roa sy fandokoana ny kianja rehetra sy ny soritra eny ambony kianja ity orinasa mpampisambotra vola ity. «Mitovy amin’ny tanjonay ny an’ny AT2B,  ny fanakaikezana ny mpanjifa. Tanora no handray anjara betsaka izay ao anatin’ny fijerinay”, hoy Ratovondrahona Camille, filohan’ny filankevi-pitantanana ny Otiv Vonjy, omaly, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, tetsy Avaradoha. Ainga vao ho an’ny AT2B izao fanohanana azony izao, izay nampanantena fa hanome lalao basikety miavaka sy hahafinaritra. Nambaran-dRasaony Pascal, anisan’ireo tomponandraikitry ny AT2B, fa mihoatra no ho ny eritreretina ireo mpandray anjara, eo amin’ny sokajy lehilahy. Marihina fa hotontosaina, amin’ity asabotsy ity, eny amin’ny kianja Andraisoro, ny fivoriana teknika. Tsiahivina fa misy sokajy dimy ny «Fety de basikety», ho an’ity andiany 2018 ity. “Mba hahafahan’ny rehetra mandray anjara ny anton’izany, mba tena haha-“fety de basikety”azy marina”, namaranan’i Pascal ny lahateniny.

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.