Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CUA : fifaninanana tsikonina ho an’ny ankizy

CUA  : fifaninanana tsikonina ho an’ny ankizy

Manomana « Tsikonina 2018” na fifaninanana mahandro sakafo malagasy ho an’ny ankizy ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Misy ny fanentanana ny ankizy rehetra tsy ankanavaka eo anivonin’ny boriborintany enina mba handray anjara mavitrika amin’izany.

Efa manomboka ny fisoratana anarana ary hifarana ny faran’ny volana mey 2018  izay atao eny anivon’ny boriboritany misy azy avy na etsy amin’ny Stade Mahamasina rihana voalohany varavarana faha2 ao amin’ny departemanta misahana ny kolontsaina sy ny fiainam-piarahamonina.

Ny ankizy  8 taona ka hatramin’ny 12 taona no afaka mandray anjara. Mamorona vondrona iray misy ankizy dimy (lahy sy vavy).

Hatao ny 6 jona izao ny fifanintsanana ny ao amin’ny boriborintany faharoa sy fahefatra. Hotontosaina ny 13 jona ny avy ao amin’ny boriborintany fahadimy sy fahenina ary ny 20 jona ny avy ao amin’ny boriborintany voalohany sy fahatelo.

Hatao ny 29 jona kosa ny famaranana ny fifaninanana izay hatao ao Mahamasina.

Tanjona kendren’ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fanaovana  tsikonina ny mba hanomezana lanja ny akora vita malagasy sy ny fahandroana malagasy mba tsy ho very ny soatoavina maha Malagasy ary indrindra ny  firaisankina ho an’ny ireo ankizy. Nanomana  loka goavana ny kaominina miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka ho an’ireo ekipa telo voalohany.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.