
Nisehoana fanafihana tokantrano iray tany Mananjara, fokontany Andramanonja Ambohimanambola, ny talata teo, tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany maraina. Voalazan’ny zandary fa telo lahy tsy nisaron-tava, norondra basy PA, sabatra ary basy lava ireto nanafika tamin’izany. Tafiditra tao an-trano ireo, nandrahona ny raim-pianakaviana tamin’ny basy. Tsy nahahetsika ny rehetra, ary noteren’ireo hamoaka ny vola. Lasa tamin’izany ny 2 tapitrisa Ar, niampy entana toy ny labozia sy sigara tamin’ny baoritra. Niala moramora teny an-toerana ireo jiolahy taorian’izay. Efa tara vao nahazo antso ny zandary, ary tonga teny an-toerana, ny alarobia. Mandeha ny famotorana ataon’ny zandary mikasika ity fanafihana ity.
Yves S.
Les commentaires sont fermées.