Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Airtel Madagascar : lalao “Fun quiz” ho an’ny mpanjifa

Airtel Madagascar  : lalao “Fun quiz” ho an’ny mpanjifa

Nampahalala ny voka-dalao fanaony, “Fun Quiz”, ny Airtel Madagascar, omaly, teny amin’ny foibeny Andraharo. Mety hahazoan’ny mpanjifa fiara ny fandraisana anjara amin’io lalalo io, ka tamin’ity andiany faha-26 ity, azon-dRtoa Rabotovao Tojotahiana ny loka (fiara Fiat). Ankoatra izay, misy ihany koa ny loka hafa, toy ny vata fampangatsiahana, fahitalavitra (écran plat 32’), sns. Manohy io lalao “Fun quiz” io hatrany ny Airtel ka ho an’izay te handray anjara, mandefa sms “fun”, 250 Ar ny sarany, amin’ny laharana 033 56 000 30. Aorian’izay, mahazo fanontaniana ny mpandray anjara ka raha marina ny valiny, isa 50 ny azony ; raha diso, isa 10.

Miankina amin’ny fahamaroan’ny isa azo izay ny fanomezan’ny Airtel ny loka. Faly tokoa Rabotovao Tojotahiana nahazo io loka lehibe io, nisaotra ny orinasa ary mampirisika ny rehetra izy mba handray anjara, atao mandritra ny 120 andro. Efa karazana andavanandron’ny mpanjifa ity lalao ity, manampy eo amin’ny fikarohana no sady fialamboly. “Manakaiky ny mpanjifa izahay no manome aina ho an’ny toekarena”, hoy ny tale jeneralin’ny Airtel Madagascar, i Maixent Bekangba. Efa fomba fanao ho fampandrosoana ny orinasa sy fanampiana ny mpanjifa ny fampandraisana anjara amin’ny lalao toy izao.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.