Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Afrika : tsy marin-toerana ny sandam-bola sy ny vidin’ny akora

Afrika  : tsy marin-toerana ny sandam-bola sy ny vidin’ny akora

 “Miarina kely ny toekarena aty Afrika, saingy miadana”. Io ny fahitan’ i Albert Zeufack,  lehiben’ny mpahay toekarena ao amin’ny Banky iraisam-pirenena aty Afrika. Anisan’ny nanatsara izany ireo firenena telo matanjaka toekarena indrindra aty amin’ity kaontinanta ity,  i Nizeria, i Angola ary i Afrika Atsimo. Tsara koa ny firoboroboan’ny fananganana fotodrafitrasa any amin’ireo firenena kely harena voajanahary toa an’i Sénégal sy i Côte d’Ivoire. Saika hita taratra fa mihatsara avokoa ny toekarena aty amin’ireo firenena aty amin’ny tapany atsinanan’i Afrika, vokatry ny hatsaran’ny sehatry ny fambolena taorian’ny haintany nisesy an-taony maro. Nitombo koa ny vola kirakiraina sy ny fampindramam-bolan’ny banky ho an’ny tsy miankina.

Mitombo ny firenena bokan-trosa

Ho an’ity teknisianina ity, mila hamafisina ny fitantanana ny toekarena sy ny rafitra mifandraika aminy mba hitondra fampandrosoana matanjaka sy ambony.

Mampanahy kosa anefa ny habetsahan’ny trosa, miantraika any amin’ny Harinkarena faobe (PIB). Miisa 18 ny firenena afrikanina bokan-trosa ny marsa 2018 teo, raha valo izany ny taona 2013.

Hanatsara sy hampandroso ny toekarena afrikanina koa ny fivoaran’ny teknolojia sy ny fikarohana. Tafiditra ao anatin’izany koa ny firoboroboan’ny angovo azo havaozina sy ny fampidiran-jiro, mampihena ny fahantrana.

Manodidina ny 3,1% ny salan’ny tahan’ny fitomboan-karena aty Afrika amin’ity taona 2018 ity. Hitombo ho 3,6% izany amin’ny 2019-2020.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.