
Nanao tohivakana ny hetsika fakana ny mpiasam-panjakana ho fampikatsoana ny fampandehanan-draharaham-panjakana, manomboka izao. Nihazo ireo minisitera maromaro eny Anosy ireo vahoaka notarihin’ny depiote ho an’ny fiovana, omaly tontolo andro. Nanombohana izany ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Fambolena, ny Fitaterana, ny Fanajariana ny tany, ny Fananan-tany, ny Fifandraisana sy ny serasera. Nye o anivon’ny Raharaham-bahiny… Nihazo ny teny amin’ny minisiteran’ny Mponina, ny Rano, hatreny amin’ny Jirama Ambohijatovo Ambony. Efa nivonona amin’ny fanalahidy sy rojo be hatrany izy ireo nanidiana ny varavarana fidirana rehefa nivoaka avokoa ny mpiasa. “Tsy misy mpiasa miverina miasa aty intsony, manomboka rahampitso (anio) raha tsy misolo ny minisitra sy ny tale samihafa. Asa tsy vita hoatra izay , tsy vita intsony. Rakotra kolikoly ny asam-panjakana ka tsy ekena izany”, hoy ny mpitondra tenin’ny depiote, namarana ny hetsika rehetra natao, tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, omaly.
Anisan’ny nanaovan’izy ireo hetsika koa ny tetsy amin’ny HCC Ambohidahy. Tsy nahazo niditra ireo vahoaka marobe satria efa niatrana ny Emmo/Reg.
Ho tompon’andraikitra amin’ny didy havoakany ny HCC
Na izany aza, nihaona fohy tamin’ny tompon’andraikitra ao an-toerana izy ireo. Nambaran’ny eo anivon’ny HCC fa mila miasa am-pitoniana ny mpitsara avo. Novalin’ny depiote anefa izany ka nilazan’izy ireo fa tokony hojerena haingana ireo fitoriana nataon’izy ireo. “Maika ny vahoaka mitady fanovana. Ajanony any iny lalàm-pifidianana tsy misy ilana azy iny. Ekeo ny fialan’ny filoham-pirenena. Aoka mba hamoaka didy mampilamina ianareo fa tsy hitondra ny firenena any amin’ny korontana. Ho tompon’andraikitra amin’ny didy havoaka eo ianareo HCC”, hoy izy ireo.
Hitohy anio, ny hetsika. Hanao ahoana anefa izany satria efa namoaka fanambarana mivantana sy ankolaka ho azy ireo ny fianakaviamben’ny Foloalindahy , omaly.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.