Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Toekarena manga » : maro ny loza mihatra amin’ny jono

 Nanokanan’ny FAO miaraka amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Ranomasina ny « Toekarena manga », omaly. Tsy tambo isaina ny harena an-dranomasina eto amin’ny Nosy sy ny manodidina. Maro anefa izao ny loza mihatra amin’izany harena an-dranomasina izany : tsy fanajana ny fotoam-panjonoana, fanaovana jono tsy ara-dalàna, fampiasana fitaovana tsy tokony ho izy,  fiovan’ny toetr’andro. Ireo rehetra ireo, lasa loza ho an’ny harena anaty ranomasina, taona maro izao.

Na efa nandraisana fepetra aza, mbola hita soritra ny tsy fanajana fepetra momba ny jono aty amin’ny faritra manodidina. Matoa ny FAO miditra, mahita fa fomba iray hoentina miady amin’ny tsy fahampian-tsakafo ny fitandroana ny jono. Misolo tena ny Nosy Maurice, Seychelles, Comores, ary Madagasikara ny FAO. Nifanakalozan-kevitra sy traikefa amin’ny samy mpandray anjara ny fivoriana natao teto Antanananarivo, nandraisana fanapahan-kevitra. Entanin’ny FAO ny tompon’andraikitra amin’ireo firenena ireo hanome lanja izany “Toekarena manga” izany hoentina miady amin’ny tsy fahampian-tsakafo.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.