Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sendikà FSTEM-Fisema : mila ajoro ny fifampidinihan’ny mpiasa sy ny mpampiasa

Sendikà FSTEM-Fisema  : mila ajoro ny fifampidinihan’ny mpiasa sy ny mpampiasa

Efa misy ny lalàna mikasika ny fifampidinihana sosialy, iombonan’ny mpiasa sy ny mpampiasa, saingy tsy avoakan’ny fanjakana ny didy fampiharana azy. Mitaky ny hampiharana sy hananganana azy ny roa tonta.

Nikarakara atrikasa, afakomaly 1 mey tany Moramanga, ny sendikà FSTEM-Fisema, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny mpiasa. Nifantoka tamin’ny « fifampidinihana sosialy » ny lohahevitra ka nandray anjara ny sendikà (misolo tena ny mpiasa), ny mpampiasa, ny fiarahamonina sivily ary ny avy amin’ny sampandraharaha mpanara-maso ny asa. Anisan’ireo nitarika ny fotoana ny sekretera jeneralin’ny Fisema, Randrianasolo José.

Manoloana ny tsy fahampian’ny tolotr’asa eto amintsika, niray hevitra ny mpivory fa mila hatsangana haingana ny fifampidinihana sosialy, eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa, araka ny hevitra voizin’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT).

Hanatanterahina azy, ilaina apetraka ny rafitra matanjaka eny anivon’ny mpiasa sy ny mpampiasa ary indrindra, mahaleo tena. Rafitra vonona sy hentitra hitarika fifampidinihana mazava sy madio ary mahomby eny anivon’ny sokajy sosialy misy eo amin’ny fiarahamonina.

Krizy politika miverimberina

Tsiahivina fa efa misy ny lalàna manan-kery eto Madagasikara amin’ny fampiroboroboana ity fifampidinihana sosialy ity. Saingy, olana ny fampiharana azy ka tsy manome vahana ny mpiasa. Manamarina izany ny tatitry ny sendikà milaza fa saika vokatry ny tsy fanarahana, ny tsy fampiharana ny lalàna mikasika ny zo fototry ny mpiasa ny ankamaroan’ny fitarainana mahazo azy ireo.

Ho an’ny mpampiasa, olana ny tsy fahafahan’ny toekarena mandroso, noho ny tsy fisian’ny fahatoniana sy ny krizy politika miverimberina, indrindra tato anatin’ny 10 taona farany. Eo koa ny tsy fandriampahalemana an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra, tsy ahafahan’ny tsirairay mamokatra.

Tinapaka, nandritra ity atrikasa ity, koa fa hisy ny fanentanana, ny fampiofanana ary fifanakalozam-baovao miompana amin’ity fifampidinihana ity eny anivon’ny mpiray miombon’antoak samihafa.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.