
Nitondra ny famakafakany ny fahitany ny raharaham-pirenena ny talen’ny famoahana eo anivon’ny vondrona Ultima média, Ramarosaona Franck, omaly tao amin’ny fandaharana “Ambarao”, eo anivon’ny onjampeo Alliance 92 FM. Nivoitra tamin’izany ny nanambarany fa tokony hirosoana ny fifidianana mialoha ny fotoana.
Nambarany fa anisan’ny tadiavin’ny vahoaka ny fitoniana mba tsy hisy fiantrakainy amin’ny toekarena izao hetsika izao. Efa misy izany izao ny fepetra savaranonando sady malaza ny amin’ny tokony hialan’ny mpitondra raha hanelanelana ny raharaha ny FFKM sy ny CFM, araka ny nambarany. “Miala aloha izany ny filoham-pirenena rehefa miteny ny HCC fa tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny lalàm-pifidianana. Hampiasaina ny lalàna teo aloha. Manao fanambarana ny fanjakana fa hatao amin’ny volana jolay ny fifidianana, andraisan’ny rehetra anjara sy tsy manilika”, hoy izy. Nanteriny fa afaka mirotsaka amin’izany avokoa Ravalomanana sy Rajoelina ary koa ny filoha am-perinasa. Hatsangana ny governemanta tsy miandany ho fanavotam-pirenena hitantana ny fifidianana, saingy tsy mahazo mirotsaka hofidina izy ireo. Mampandeha ny raharaham-panjakana fotsiny ihany, araka ny nambarany. “Ho tonga amin’ny diabe mihazo ny eny Iavoloha anefa ny raharaha raha mbola miziriziry tsy hanaiky izany kisarisary izany ny filoha am-perinasa. Ho hitany eo hoe ireto ny vahoaka mitaky ny fialako”, hoy ihany izy.
Miala rehefa tsy mahay mitondra firenena
Nitondrany ny heviny koa ny momba ny fampakarana karama 8%. Nambarany fa midika ho tsy fahaizan’ny mpanolotsain’ny filoha izany paikady famonoana afo izany. “Fanaovana tsinontsinona vahoaka sy ny mpiasa iny fampakarana karama iny. Voatery sy kenda vao nikoropaka… Tokony hiala ny mpitondra rehefa tsy hainy ny mitondra firenena sy mametraka politika mazava eo amin’ny toakerana sy sosialy ary koa ny fametrahana ny laharam-pahamehana eto amin’ny firenena”, hoy izy. Nanteriny fa mitombo andro aman’alina ny alahelom-bahoaka, miainga any anivon’ny fiarahamonina sy ny fokontany. Efa miaraka amin’ny mpanao politika, ny mpitondra fivavahana, ny mpiasa sy ny sendikà izany izao ka tsy ho tafavoaka intsony ny fitondrana.
Manana traikefa amin’ny fitarihana tolona…
Notsiahiviny fa tsy mifanalavitra amin’izao koa ny “Raharahan’ny 1991”. “Niitatra ny fitakiana ary niafara amin’ny fialan-dRatsiraka izany niainga amin’ny fifanarahan’ny 31 oktobra. Mpikambana tao amin’ ny birao politikan’ny MFM izahay tamin’izany ary anisan’ny manana traikefa amin’ny fanentanana sy ny fitarihana ny vahoaka sy ny tolona”, hoy ihany Ramarosaona Franck.
Etsy andaniny, nambarany ho anisan’ny tompon’antoka amin’izao fahantrana izao ny mpamatsy vola nanao ny fanitsiana rafitra ka lasa baranahiny ny fanalalahana. Anisan’ny nahavoa antsika koa ny fidirana amin’ny vondrom-paritra, toy ny Comesa, Sadc, COI ka tafiditra eto avokoa ny entan’ireo mpikambana ireo. “Ny eto amintsika anefa, tsy vonona ka difotra satria be loatra ny fampidirana entana. Samy tompon’antoka ny mpamatsy vola sy ireo mpitondra nifandimby…”, hoy izy.
Tokony hiaiky ny hadisoany ny mpanelanelana
Nitondrany famakafakana koa ny fidiran’ny mpanelanelana vahiny amin’izao raharaha izao. Nambarany fa nitsabahan’ny UA sy ny Sadc ny fifidianana teto 2012. Nanao sori-dalana sy nametraka ny “Ni… Ni” izy ireo. Vokatr’izany izao zava-misy izao ka tokony hiaiky aloha izy ireo fa diso tamin’ny nataony teo aloha ary rangory fototry ny afo, araka ny nambarany. … Tonga koa ny Sadc ary ho avy ny ONU. “Teratany senegaley ny halefany eto. Nalaza namono Malagasy teto anefa izany ny taona 1947. Tsy mba manana mpandinika fiarahamonina na sosiology ny mpitondra ka mba niteny hoe olon-kafa halefa aty. Tsy zakan’ny malagasy izany ary manambany antsika ny fanelanelanan’ny ONU”, hoy izy.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.