Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Nitaona namana hafa ireo mpianatra : lasa nitolona ny mpampianatra teny Nanisana

    Nirava mialoha ny fampianarana teny amin’ny lycée Nanisana, omaly maraina. Nandritra ny fakan-drivotra, nivory ny mpampianatra ao amin’ny lycée. « Rehefa hiroso amin’ny fidirana amin’ny tapany faharoa ny fampianarana, nanambara indray ireo mpampianatra fa tsy afaka  hanohy ny fampianarana intsony fa handeha hitolona eny amin’ny kianjan’ny 13 mey », araka ny vaovao azo omaly. Sahiran-tsaina ny mpitantana ny lycée satria zo ny manao fitakiana. 70% tamin’ireo mpanabe no nanaraka ny hetsika fampitsaharana ny fampianarana. Rehefa lasa ny mpampianatra, nivoaka ihany koa ny mpianatra. Tsy nandeha nody izy ireo anefa fa nitaona ny mpianatra tao amin’ny lycée Technique professionnel Ampasampito (LTP). Tazany teny Ankorondrano izy ireo nitanjozotra ho eny Antanimena. Nikasa ny hitarika ny mpianatra tao amin’ny CEG Antanimena, saingy niala maina satria efa mailo ny tale sy ny mpiambina ny vavahady. Tonga teny amin’ny faritra misy ny HCC Ambohidahy izy ireo avy eo. Ahina hisy voka-dratsy amin’ny fizotry ny fampianarana ny toe-draharaha politika raha hiala an-daharana hitokona koa ny mpanabe nefa ny fanadinam-panjakana, efa akaiky. Lasa sorona ny taranaka!

    Vonjy A.               

    Les commentaires sont fermées.