Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Niara-ory amin’ ny vondrona Midi ny filoha Rajoelina

Niara-ory amin’ ny vondrona Midi ny filoha Rajoelina

Fanehoana ny voin-kava-mahatratra amin’izao nahalasanan’ny filoha tale jeneralin’ny vondrona Midi Madagascar, Andriambelo Rajaofera Juliana, izao . Araka izany, tonga nidodododo naneho fiaraha-miory sy nampahery ary nampionona ny fianakaviamben’ny vondrona orinasa sy ny fianakaviana manontolo ny filohan’ny Tetezamita, Rajoelina, omaly.  Niaraka taminy tamin’izany koa nifanotrona ny avy amin’ny fianakaviamben’ny orinasan-gazety hafa toy ny avy amin’ny vondrona Sodiat sy ny eo anivon’ny vondrona Ultima Média ary samy notarihin’ireo lehibeny avy izy ireo.

Tsiahivina  fa anisan’ireo orinasan-gazety manana ny maha izy azy eto amintsika,  notantanan’i madama Fafah, anarana nahafantarana azy, ny vondrona Midi Madagascar. Miombona alahelo sy miaraka ory amin’ny fianakaviany manontolo sy ny orinasa ny eto anivon’ny vondrona Ultima Média.

Randria  

Les commentaires sont fermées.