Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ikalamavony : dahalo roa maty voatifitry ny zandary

Rotiky ny balan’ny zandary nandritra ny fifandonana tao Mandiavato, fokontany Bekivahy, kaominina ambanivohitr’i Fitampito, distrikan’Ikalamavony, ny faran’ny herinandro teo ireo dahalo roa tompon’antoka tamin’ny halatra omby tao amin’ny distrikan’Ambalavao. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, nitrangana halatra omby nataona andian-dahalo 20 lahy eo ho eo tao Ambalavao ny herinandro teo. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny kaompanian’Ambalavao nampian’ny fokonolona. Nifanehatra tao amin’ny toerana voalaza etsy ambony ireo mpanara-dia sy ireo andian-dahalo. Tifitra variraraka avy hatrany no nataon’ireo dahalo tamin’ireo zandary. Raikitra ny fifandonana satria niaro tena ireo zandary sy ny fokonolona. Nitsoaka nandositra avy hatrany ireo malaso, saingy lavo nandritra ny fifandonana ny roa amin’izy ireo. Dahalo roa hafa azo sambo-belona. Nitohy ny fikarohana ireo dahalo tafaporitsaka. Nilaza ny zandary fa tsy mihemotra fa vonona hiaro ny vahoaka sy ny fananany hatrany.

Fa tratran’ny vela-pandriky ny mpiray dina tao Maintirano, ny alatsinainy teo koa ny jiolahy iray raindahiny amin’ny fanafihana ao amin’ny distrikan’i Maintirano. Efa nokarohina hatry ny ela ity jiolahy ity, saingy izao vao tratra, araka ny fampitam-baovao voaray. Voalaza fa manao andiany ireto jiolahy ireto rehefa manao fanafihana. Efa naiditra am-ponja ny namany fa izy kosa izao vao tratra. Maro ireo olona nitondra faisana tamin’ity jiolahy ity ao Maintirano.

J.C

 

Les commentaires sont fermées.