Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo Resaky ny mpitsimpona akotry : menaka ahoso-bato

8% maneno tsara toy ny fanondrotana karama tena mivaingana. Izay 8% izay moa araky ny fanambarana no fisondrotry ny karaman’ny mpiasa-panjakana manomboka amin’ity volana ity. Tsy nataon’ny maro toy ny fisotron’ny akoho ilay izy ka izay kely azo tsy niandrandran’ny lanitra ary tsy nataony nahafapo. Ao moa ireo manatsatso ambony ihany amin’ny filazana fa fanambatambazana fotsiny nohon’ ny lonilony miseho eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, ny fisondrotana hono efa tamin’ny fiatombohan’ny taona no nandrasana. Nefa tsy dia eo amin’ny fotoana loatra no tena voton’ny ady hevitra. Tsy manala firy amin’ny fahasahiranana miavosa ny 8% araky ny filazan’ny maro izay nanaposaka ny heviny. Tsy nitsahatra niakatra hoy izy ireo ny vidi-piainana, tsy izay 8% izay fotsiny ny tahan’ny fidanganany nandritran’ny herintaona. Raha izany rehefa ampifanakaikaizina ny tarehimarika ny fisondrotry ny fidiram-bola sy ny fidangan’ny vidi-piainana mazava ho azy fa nitontongana ny fari-piainan’ny mponina. Milaza izany fa tsy ny fampandrosona fotsiny no tsy hefan’ny fitondrana, fa ny fiarovana ny vahoaka tsy ikorosy ao anatin’ny fihemorana no tsy tafan’ ny mpitondra. Ampy itsaran’ny mponina ny fahaiza-mitantana izany : izay mizaka ny vokany no afaka ilaza na mahavita azy na tsia ny mpitondra !!! Tsy mila valiny ambava akory angamba dia samy maheno mangina any an-tsainy ny filazana hoe tsy mahavita azy !!!

Nohon’ny fisehon’ny toe-draharaha amin’izao fotoana izao moa dia nipoitra indray ny adi-hevitra momban’ny fizarana toko sy adidy mikasika ny ady pôlitika sy ny tolona syndikaly. Samy manana ny sehatra misy azy izy ireo, nefa kosa misy kihon-dàlana toy ny miseho izay ifanenany.  Misy moa milaza fa manararaotra kendry tohina ireo mpitarika ny fihetsiketsehana ankehitriny amin’ny «fandoarana» mpiasa any amin’ny toeram-piasana, na izany aza rehefa tsy misy faneriterena ny mpiasa tsirairay dia ampy izay ho fanajana ny zony sy ny safidiny amin’ny maha olom-pirenena azy. Tazana izany ao amin’ny samapan-draharahan’ny fiadidianan’ny Douane, ny syndikà nisarika amin’ny fidinana an-tsehatra sy ny fampikatsona ny asa, ny vondron’ny mpiasa tsy ao amin’ ny syndikà kosa nanao fanambarana mifanipaka amin’izany filazana ny tsy hikatonan’ny ladoany sy ny faavononan’ny mpiasa sasany anatanteraka ny andraikiny eo amin’ny toerana misy azy. Izay fifananjana izay angamba no mety ho làlana tsy ampizarazara ny vahoaka. Mazava ho azy fa tsy maintsy misy tsy itovizana ny hevitra, nefa raha izay no hitarika fitresatresahana eo amin’ny fiaraha-monina vao miha ho sarotra ny fitadiavana vahaolana.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.