Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fikaroham-bahaolana : teren’ny Folalindahy hifandinika maika ny mpanao politika

Fikaroham-bahaolana  : teren’ny Folalindahy hifandinika maika ny mpanao politika

 Nivoaka amin’ny fanginany ny fianakaviamben’ny Foloalindahy  ary  hentitra tanteraka tamin’ny  fanambarany.  “Aoka  ianareo mpanao politika voakasika amin’izao  raharaham-pirenena izao mba handravona izany ato anatin’ny fotoana fohy”, hoy izy  ireo  tetsy Ampahibe, omaly.   Tsy nanome  fe-potoana izy ireo, saingy   te hametraka tsy tokony ho ela  intsony izany. Manomboka miverina indray izany ny kisary tamin’ny “Raharahan’ny 1991”, naneren’ny Foloalindahy tamin’izany ny mpanao politika, nohidin’izy  ireo an-trano  teny Andrainarivo  ny 31 oktobra, ka  tsy nivoaka tao raha tsy nivoaka ny fifanarahan’ny Panorama tamin’izany.  Ho tonga amin’izany ity indray mandeha ity raha miainga amin’izao fanambarana  izao ?

Etsy andaniny, notsiahivin’ny Foloalindahy koa fa henjehina araka ny lalàna  ireo minia manimba  sy manapotika ireo toerana saropady ahitana fananam-pirenena  na fotodrafitrasa sy  fananana iombonana kanefa ambenan’ny miaramila. Nampitandrina koa izy ireo fa hampihatra ny lalàna amin’ireo manao fihantsiana  na koa manivaiva ny mpiray  tanindrazana sy ny mpitandro filaminana.

Ankoatra  izany,  navoitran’ny  fanambarana ny  tsy tokony  hanerena mivantana na ankolaka ny olom-pirenena  tsirairay amin’ny  safidiny. Nitodika amin’ny  vahoaka sy ny mpanao politika ireto avy amin’ny fianakaviamben’ny Foloalindahy avy eo. “Aoka  tsy hanaiky hatao fitaovana ianareo  vahoaka. Ampy izay ny ra latsaka. Aoka tsy hatao sorona  noho  ny fitiavan-tena,  ny fitiavan-tseza, ny fitiavam-bola  ny mpiray tanindrazana…”, hoy ny  fanambarana.

Synése R. 

 

Les commentaires sont fermées.