
Tonga eto Madagasikara ny manampahaizana manokana avy amin’ny vaomieram-paritra manamarina ny tsy fisian’ny aretina polio aty Afrika (CRCA), nanomboka omaly ka hatramin’ny 11 mey ho avy izao. Efa nisy ny antontan-kevitra momba ny fanafoanana ny aretina lefakozatra eto amintsika nalefa tany amin’ireo mpikambana amin’ny vaomieram-paritra ny volana marsa lasa teo. Hanamarina ny zava-bita voarakitra ao amin’ny antontan-kevitra ireo manampahaizana maromaro tonga. Hidina hitsidika CSB sy hopitaly indrindra any amin’ireo toerana mbola tsapa fa ambany ny tahan’ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny aretina lefakozatra izy ireo. « Hampitaha ny zava-misy eny ifotony sy ny voarakitra ao amin’ny antontan-kevitra ireo vahiny manampahaizana ary hanamarina raha nanaraka ny fenitra napetraka i Madagasikara », hoy ny fanazavan’ny talen’ny vaomieram-pirenena momba ny fanamarinana ny tsy fisian’ny aretina lefakozatra, ny profesora Ravelomanana Noëline, omaly teny Ankorondrano.
Mbola 85% ny tahan’ny fanaovam-baksiny
85% ny tahan’ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny lefakozatra ho an’ny hetsika faha-12 notontosaina ny volana avrily lasa teo. Ho an’ny andiany faha-13, nizotra tsara ny fanaovam-baksiny ary andrasana ny tatitra mbola tsy tonga ho an’ny toerana saro-dalana, hoy ny talen’ny fanaovam-baksiny ao amin’ny minisiteran’ny fahasalamana, Ramamonjisoa Bodohanta. Anisan’ny fanatsarana notakina amin’i Madagasikara ny fampakarana ny tahan’ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny lefakozatra ho 90%.
« Asa iray mila hamafisina ny fanaraha-maso ny aretina poliomelta sy ny fahalemena miseho tampoka », hoy ny manampahaizana iray ao anatin’ny vaomiera, i Jean Kaboré. Efa nahafeno ny fepetra ahafahana mametraka ny antontan-kevitra fangatahana i Madagasikara ary manantena koa ny tenany fa hahazo io taratasy fanamarinana io isika amin’ny volana jona.
Vonjy A.
Les commentaires sont fermées.