
Manoloana ny fanambaran’ny fianakaviamben’ny Foloalindahy, omaly, tsy azo ihodivirana ny hirosoana amin’ny fifampiresahana ahatongavana amin’ny fifanarahana politika. Antoka ivoahana amin’izao krizy mianjady amin’ny firenena sy ny vahoaka izao ny fahitana marimaritra iraisana ho amin’izany. Efa samy mandrangaranga ny hametrahana governemanta avokoa ny rehetra. Eo ireo mivoy ny governemanta ho an’ny fampiraisam-pirenena. Anisan’izany ireo sakaizan’ny mpandresy, mijapy ny lamasinina ary mitonona ho hetsika ho amin’ny fiovana na fanovana.
Ilaina ny olom-baovao
Mpanao politika efa fantatra teo amin’ny tantara izy ireo ary zatra kitapo latsaka amin’ny Tetezamita.
Eo koa anefa ireo mihevitra fa ilaina ny olom-baovao amin’izany. Mpitantana madio sy mandala ny mangarahara, tsy mitanila ary manana fahaizana. Mila fanetren-tena rahateo ny fitondrana ny firenena fa tsy tahaka ny nataon’ireo mpitantana teo aloha, indrindra ny ho eo anivon’ny primatiora, ny minisitera isan-tokony, nandatsaka ny firenena anaty kizo lalina sy ny fahantrana amin’izao fotoana izao.
Fihainoana ny feom-bahoaka…
Midika ho tsy fahaiza-mitantana izany na heverina aza fa manam-pahaizana sy manana traikefa avokoa ny maro amin’izy ireny. Nametraka tantara ratsy teto amin’ny firenena ny maro amin’izy ireny. Anisan’izany ny fanondranana an-tsokosoko harem-pirenena… Tsy fitiavan-tanindrazana ny manao barofo sy bontolo ary koa ny tsy fihanoana ny feon’ny vahoaka sy ny fitarainany. Takaitra nateraky ny krizy nisesy teto amin’ny firenena ny tranga miseho amin’izao fotoana izao ka tokony hatao vaindohan-draharaha ny fihainoana ny feom-bahoaka. Hapetraka ny tamberina andraikitra…
Randria
Les commentaires sont fermées.