Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Violette Kakyomya : “zava-dehibe sy maika ny fampihavanana”

Violette Kakyomya  : “zava-dehibe sy maika ny fampihavanana”

“Manana ny toerany eo amin’ny tantaram-pirenena ny fahatongavan’ny fanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika sy ny fifidianana depiote, ary zava-dehibe sy maika ny anjara toeran’ny CFM amin’izany.”

Izay no anisan’ny nambaran’ny mpandrindra ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana eto Madagasikara, Violette Kakyomya, tamin’ny nanomboka tao amin’ny hotel des Thermes, Antsirabe, omaly, ny atrikasa fanatevenana ny fahaiza-manao momba ny fampihavanana ho an’ireo mpikamban’ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy (CFM).

 Zava-dehibe eo amin’ny fanamafisana ny fahatokisan’ny vahoaka ny andrimpanjakana sy ny dingana demokratika amin’ny fifidianana izay hitondra ny firenena ny ezaky ny CFM. Dingana maharitra ny fanatanterahana ny fampihavanana, fa tsy hetsika mandalo. Manana ny anjara toerany amin’ny dingana demokratika izany. Eo koa ny anjara toerany aloha sy aorian’ny fifidianana.

Maniry fifidianana eken’ny rehetra ny CFM

Nambaran’ny filohan’ny CFM, Maka Alphonse, fa hahazoan’ny mpikamban’ny CFM manamafy ny firaisankina ny atrikasa toy izao amin’ny fanatanterahana ny iraka sy tanjona nofaritan’ny CFM. Maniry ary mandray ny anjarany ny CFM amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika sy ny fifidianana depiote tsy mitanila, malalaka, azo antoka, mangarahara, demokratika ary eken’ny rehetra. Maniry ny hisian’ny firaisankina ny vahoaka malagasy izy, fiarahamonina milamina ary firenena mandroso.

 Mba ho araka ny fenitra iraisam-pirenena ny fampihavanana

 Tanjona amin’ny atrikasa ny fanohanana ny ezaka amin’ny fanamafisana orina ny filaminana sy ny fitoniana eto Madagasikara. Mikarakara ny atrikasa ny filohan’ny CFM, miaraka amin’ny Kaomisera ambony eo anivon’ny Firenena mikambana momba ny zon’olombelona (HCDH).

Mba  hahazoan’ny mpikamban’ny CFM izay hitondrana mazava ny fampihavanana, araka ny fanao sy ny fenitra iraisam-pirenena eo amin’ny sehatry ny zon’olombelona. Maharitra hateloana ny atrikasa, ary andraisan’ny mpikamban’ny CFM rehetra anjara amin’ny adihevitra momba ny fampihavanana araka ny tokony ho izy.

R. Nd.

 

Les commentaires sont fermées.