Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy fahampian-tsakafo : maty ho azy ilay rangahy 60 taona

Tsy fahampian-tsakafo  : maty ho azy ilay rangahy 60 taona

Tsy takona afenina intsony ny filazana fa noana tsy ampy sakafo ny akamaroan’ny vahoaka malagasy. Tsy takatry ny fahefa-mividin’ny sarambabem-bahoaka rahateo ny vidin’ny vary sy filàna andavanandron’ny mponina. Saika tsy afa-misakafo intelo isan’andro intsony ny vahoaka amin’izao fotoana izao fa lasa manao sakafo tapa-kibo fotsiny sisa. Izay no azo hisokajiana ny trangan-javatra etsy amin’ny tanin’ny posta, fokontany Salazamay atsimo, ny herinandro lasa teo. Gaga ny mponina manodidina raha nahita ity raim-pianakaviana nitsitra teo ambody hazo, efa tsy nisy aina intsony, fantatry ny maro amin’ny anarana Etienne, 60 taona ary mpiambina ny asany. Monina ao Analankinina Hopitaly be izy io. Niantso ny teo anivon’ny polisy sy BMH ny fokonolona nahita-maso azy voalohany. Nanao ny asany tamin’ny fanadihadiana ny antony nahafaty ity raim-pianakaviana ity ny tompon’andraikitra samihafa tonga teo an-toerana. Nilaza ny mpitsabo teo anivon’ny BMH fa hanoanana vokatry ny tsy fahampian-tsakafo no nahafaty azy .

Tsy sambany nitrangana  fahafatesana tampoka tahaka izao, indrindra vokatry ny tsy fahampian-tsakafo eo Toamasina. Amin’ny ankapobeany, henatra ho an’ny fitondrana ny tranga tahaka izao izay manaporofo ny tsy fahazakan’ny mponina intsony ny vidim-bary na teo aza ny filazan’ny loholona iray fa efa nidina ny vidin’ny vary.

Sajo

Les commentaires sont fermées.