Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rivodoza Eliakim : nanao tolo-tanana ho an’ny traboina ny zandary

Rivodoza Eliakim  : nanao tolo-tanana ho an’ny traboina ny zandary

 Tontosa ny zoma 6 avrily 2018 lasa teo tao amin’ny tranom-bokim-pirenena Ampefiloha ny tolo-tanana avy amin’ny fianakaviamben’ny zandarimariam-pirenena entina hanampiana ireo Malagasy mpiray tanindrazana traboina avy amin’ny faritra Diana noho ny fandalovan’ny rivodoza Eliakim farany teo iny.

Vola mitentina 8 290 550 Ar no voaangona tamin’izany ka natolotra ny “Association Diana” ho fandraisana anjara amin’ny maha voin-kava mahatratra. Ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg) ny Jly Randriamahavalisoa Girard, ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Ramiandrisoa Daniel no nitarika ity hetsika tolo-tanana ireo traboina any amin’ny faritra Diana ity. Nokendrena ho tao anatin’ny famaranana ny andron’ny zandarimariam-pirenena izao hetsika izao mba hahatanterahan’ny lohahevitra nofidin’ny zandarimariam-pirenena hoe : “Zandarimaria manakaiky ny vahoaka” fanoitra ho entiny manatratra ny tarigetran’izy ireo hoe : “Tanindrazana sy lalàna”.

J.C

Les commentaires sont fermées.