Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nentiny nitsoaka ny vola 70 tapitrisa Ar : karohin’ny polisy i Victorien Joseph Esoael

Nentiny nitsoaka ny vola 70 tapitrisa Ar  : karohin’ny polisy i Victorien Joseph Esoael

 Karohin’ny polisy ary namoahana didy fikarohana ny lehilahy iray antsoina hoe Victorien Joseph Esoael na i Soaly, 22 taona, zana-dRasoarivelo Théonie Shela. Karohina fatratra noho ny fivadiham-pitokisana ity lehilahy ity, araka ny fanazavan’ny polisy. Nitsoaka niaraka tamin’ny vola 70 tapitrisa Ar izay an’ny fianakaviana nipetrahany teo Analamahitsy izy nanomboka ny 27 marsa 2018 lasa teo. Fantatra fa vola saika halefa any ivelany hitsaboana olona marary io vola io, kanjo lasan’ity lehilahy ity. Voalazan’ny fianakaviana, araka ny tatitra avy amin’ny polisy hatrany fa efa noraisina ho toy ny zanaka an-trano tao amin’io fianakaviana io i Soaly ka nahafantatra ny fisian’ny vola rehetra tao an-trano. Tamin’ny fotoana tsy nisy olona no nangalarany ny vola rehetra ka najanony avokoa ny entany. Nahitana rongony sy odigasy tao anaty entany nandritra ny fisavana nataon’ny polisy. Izay mahita na manam-baovao momba an’i Soaly dia afaka mampandre haingana ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahavalo Analamahitsy na miantso ireto laharana telefaonina finday ireto : 034 05 998 41 na ny 034 05 998 42. Melohin’ny lalàna ny firaisana tsikombakomba amin’ny olona efa namoahana didy fikarohana toy izao na fampiantranoana azy ireny.

J.C

Les commentaires sont fermées.