Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Arivonimamo : jiolahy tratra niaraka tamin’ny gony feno saribao

Arivonimamo  : jiolahy tratra niaraka tamin’ny gony feno saribao

Miaina ao anaty tsy fandriampahalemana ny fokontany Saromilanja Arivonimamo amin’ny afitsoky ny jiolahy mpanao hala-botry ao amin’io fokontany io. Nandray fepetra ny polisy nanofana andrimasom-pokonolona hiara-hiasa amin’izy ireo. Nahitam-bokany izany satria tratra ny jiolahy iray antsoina hoe Gefrend rehefa avy namaky trano, ny zoma alina teo tao amin’ny fokontany Saromilanja Arivonimamo. Polisy nanao fisafoana no sendra nahita trano nisokatra ka nanatona avy hatrany. Rehefa nanatona anefa izy ireo no nivoaka tampoka ny jiolahy iray nitondra entana sady nirifitra nandositra niala ny trano. Raikitra ny fifanenjehana ka noraisim-potsiny izy. Tratra tany aminy ny gony nahitana vilany maromaro sy kitapon’ankizy mpianatra ary saribao amin’ny gony. Mbola nahitana fanalahidy maromaro koa tany aminy nandritra ny fisavan’ny polisy. Niaiky izy fa namaky trano tokoa nandritra ny fanadihadian’ny polisy. Jiolahy mpamerin-keloka gagilahy ity tratran’ny polisy ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.