
Sokatra radiata geochelone maherin’ny 5 000 isa no saron’ny réseau d’acteurs pour la lute contre traffic des faunes et flores niaraka tamin’ny zandarimariam-pirenana ao Antoby Betela Toliara II, omaly tamin’ny mitataovovonana…
Nahazo loharanom-baovao ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, ny « réseau d’acteur », ny Bianco ka nanao fisavana trano ao amin’ny kaominina ambanivohitra Toliara II, omaly. Trano miisa roa no nisy ireo biby ireo ka ny iray misy rihana ka olona roa (lehilahy sy vehivavy) ny notanana nanaovana famotorana. Ahitana efitrano miisa 22 ireo trano nahitana ireto zana-tsokatra ireto. Ny trano iray misy rihana ahitana efitra miisa 19 samy nahitana sokatra avokoa na ny ambany rihana na ny ambony rihana hatrany amin’ny efitra fivoahana aza. Ny trano faharoa kosa ahitana efitra sivy nahitana sokatra ihany koa. Fantatry ny tompon-trano tsara ny fisian’ireto sokatra nokasaina haondrana an-tsokosoko ireto. Tonga niara-nisalahy nanao fanadihadiana ny eo anivon’ny fitsarana, ny Bianco, ny polisy sy ny zandary. Tsy afa-bela fa notazonin’ny zandary avy hatrany ilay olona mpanome sakafo ireto sokatra ireto sy ilay mpiambina ka anaovana fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Tsy mbola voasambotra kosa ny tompon-trano hatreto. Tsy mbola vita kosa ny fanisana ireto zana-tsokatra marobe ireto hatramin’ny nialana tao amin’ilay trano nahitana azy ireo.
Mbola tratra teo am-pandevenana sokatra maty miisa enina ny lehilahy iray tamin’ny fotoana nahatongan’ny “acteurs” nanao fisavana. Ny Dref Atsimo Andrefana no misahana ny famotorana ary haterina any Mangily avy amin’ny tanànan’ny sokatra ireto sokatra marobe ireto mialoha ny hanaterana azy any amin’ny valanjavaboahary any an-toerana ihany.
CMS sy Jean Claude
Les commentaires sont fermées.